4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Elatro ianao - VLM 67HA

Raha nihevitra aho, hoe nanana elatra
Dia nanidina, nisedra ireny rivotr'izao tontolo izao
Dia nanidina, nahafinaritra
Kanjo tampoka teo, nazeran'ny ahiahy sy famoizam-po aho

Dia tonga ianao, nanavao, tsy niandry ahy nitalaho
Nasehonao f'Ianao no elatro

Tiako ny eo anilanao,
Tsy miova ianao hatrizay, hatramizao
Na efa maty aza aho novelominao
Manomboka izao tsy hanompo Tompo afa-tsy Ianao
Indro ny fiainako omeko anao
Zaho tsy hiala aminao

Sambatra aho, fa tafatambatra
Miara-dalana aminao ry ilay tokan'ny fo
Tsy miahotra, afa-tahotra
Raha hisedra ireny adin'ny fiainana aza
Eo foana ianao

Tiako ny eo anilanao,
Tsy miova ianao hatrizay, hatramizao
Na efa maty aza aho novelominao
Manomboka izao tsy hanompo Tompo afa-tsy Ianao
Indro ny fiainako omeko anao

Zaho tsy hiala aminao
Hoy Ianao aminay: "zaho lay Andriamanitrao, tsy miova"
Ny ainao aza foinao ho ahy lay tsy foinao mandrakizay
Tiako ny eo anilanao,
Tsy miova ianao hatrizay, hatramizao
Na efa maty aza aho novelominao
Manomboka izao tsy hanompo Tompo afa-tsy Ianao
Indro ny fiainako omeko anao
Zaho tsy hiala aminao
Zaho tsy hiala aminao
Zaho tsy hiala aminao

Partager elatro ianao

Commenter elatro ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VLM 67HA