4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mozika mampiray - Jon Mos

MOZIKA MAMPIRAY

Falifaly aho, miramirana ianao
F'ifankahita indray
Sady sariaka, tsy misy tomika yeah!
Ravovarovo ny fo
'lay mozika fiainanao, efa tiako hatrizay
Mampitempo ny foko eny hatramin'izao
Raha ho avy ilay masoandro
Hitondra hafanana ho anao

Fiverenana:
Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao
Ka rahoviana indray
Vao ho hitako ianao

Toa zary tsy afaka ato an-tsaiko indraindray
'lay endriky ny tsiky avy aminao
Namelona ny fanantenako ireny
Ka zary embona ahy hatramin'izao
Toa ilay mozika koa, hirain'ny fo
Hamerin'ndray reo taloha
Hanala ny aizina
Hitondra hazavana ho anao

Fiverenana:
Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao
Ka rahoviana indray
Vao ho hitako ianao

Banga ny tontoloko tsy eo ianao
Kanefa indrisy tsy misy azoko atao
Fa rehefa eo ianao
Misava izao rehetra izao

Na maloka ny andro
Ny foko manantena anao
Ka rahoviana indray
Vao ho hitako ianao

©2015

Partager mozika mampiray

Commenter mozika mampiray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jon Mos