4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raozy hirain'ny fanahy - Jon Mos

Tsy ho afaka an-tsaina, ka indro ho hiraina
Reo lasa rehetra hatrizay
Ka indro an-kira noho ny hafaliana
No entiko misaotra anao
Novetsovetsoiko ireny nataoko an-kira iray
Ho anao satria tiako ianao
F'ilay fitiavanao no nasehonao ahy
Namadika tantara iray  

Ref:
Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
'lay raozy hirain'ny fanahy 

Iriako ny hitoetra eo anilanao
Ny alina aho irery ka lavitra anao
Fitiavanao no mitoetra
Tsy voafaritro mihintsy ato an-tsaiko ato
Banga ny fiainako raha tsy eo ianao
Aiza ianao mila anao anie aho
Ilay voninkazo roa no hitambatra ho iray
Tiako ianao raha toa ahy

Ref:
Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
'lay raozy hirain'ny fanahy

Bridge:
Eh! Ry voromailala ô
Toa reko any ho any, manintona aok'izany
Mba aoka aho handre ny feonao
Fa mamiko loatra, ny hahita ny endrikao.

Efa fantatro izao fa teo ihany ianao
N'inona hiseho izaho mahatoky anao
Ny ampitso koa mbola manantena ihany aho

Ref:
Indro ny foko raiso ho anao
Ka aoka ho anjakanao ny fiainako
Aza avelanao hangina indray
'lay raozy hirain'ny fanahy


JON MOS

Copyright ©2017

Partager raozy hirain'ny fanahy

Commenter raozy hirain'ny fanahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jon Mos