4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Jordana - SEDERAH GOSPEL

J O R D A N A
(Do dia Eb) Aahh…haaa… (FFPM, 107) …
(+ Eksodosy, 15:22-25)
“ARY Mosesy nitondra ny Israely niditra avy teo amoron’ny Ranomasina mena, dia nandroso ho any amin’ny efitra sorà izy; Ary nandeha hateloana tany an-efitra izy ka tsy nahita rano.Dia tonga tao mara izy, fa tsy nahasotro ny rano tao mara, satria nangidy izany; Koa izany no nanaovany ny anarany hoe mara.Dia nimonomonona tamin’i Mosesy ny olona ka nanao hoe: inona no ho sotroinay? Ary dia nitaraina tamin’I Jehovah izy, Ka dia nanehoan’I Jehovah hazo anankiray, Ary rehefa natsipiny tao anatin’ny rano izany, Dia tonga mamy ny rano.”

(Do dia D)
Lo lo lo…Lo lo lo lo …Lo lo lo… Lo lo lo lo…[x3] (Aleloia!Eh!hosàna,hosàna,E!hosàna) [x2]

1. (Tao an-tany karakaina)[bass]
Tao an-tany karakaina, misy rano mipololotra
(Toy ilay tany jordana) [bass+tenor]
Toy ilay tany Jordana, tsara loatra tafahoatra [x2]

(O ry mpivahiny) Ry mpivahiny ô!Aiza moa ianao
(Mangetaheta aho)Mangetaheta ianao,misotroa izao

Tsy mividy,izay rehetra tonga ao ary tsy ho lavina
(Avia manatona,andao manatona ianao fa he!...)
(Aaavia avia, ry olona fa he!)
Fa he! (Sambatra e!) sambatra izy e! [x2]

2. (Io ilay ran’ny zanakondry) [bass]
Io ilay ran’ny zanakondry, izay nomena ho antsika
(Jeso re no mahavonjy) [bass+tenor]
Jeso re no mahavonjy, fanafodin’ izay mahita azy[x2]

(O ry mpivahiny) Ry mpivahiny ô!Aiza moa ianao
(Mangetaheta aho)Mangetaheta ianao,misotroa izao

Tsy mividy,izay rehetra tonga ao ary tsy ho lavina
(Avia manatona,andao manatona ianao fa he!...)
(Aaavia avia, ry olona fa he!)
Fa he! (Sambatra e!) sambatra izy e! [x2]

(Aleloia!Eh!hosàna,hosàna,E!hosàna) [x4]
Sambatra izy e, sambatra izy e! [x4]

Partager jordana

Commenter jordana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe SEDERAH GOSPEL