4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iarivo - Henri Ratsimbazafy

Ny meva dia misy dia misy,

ny fatratra be ihany koa,

na London na i Parisy

dia maha-te ho tia avokoa.

Ekeko fa tena malaza

New-York ary koa Chicago

ary maro koa ny milaza

hoe fatratra i Mexico.



Kanefa, ianao ry larivo

Tanana, nipoiran’ny aiko

no iray ao anatin’ny arivo

mambabo ny fo sy ny saiko.



Ny ngeza sy manan-tantara,

Pekin, Hong Kong, Shangai

ny kely kanefa koa tsara

toa an-dry Tahiti sy Hawai.

Ry Naples, Roma, Venizy

ry Vienne ary koa Moskoa

dia indraindraina izay tsizy

lazaina ho tsy hita noanoa.



Kanefa, ianao ry larivo

Tanana, nipoiran’ny aiko

no iray ao anatin’ny arivo

mambabo ny fo sy ny saiko.



Jerena ny ery Besarety,

Ampandrana, Ambanidia,

ny làlana ety dia ety,

ny trano efa tonta ery.

Aleha indray Mandialaza

tsy hafa fa toa izany koa

Isotry dia he ratsy laza

tsy hita izay tena soa.



Kanefa, ianao ry larivo

Tanana, nipoiran’ny aiko

no iray ao anatin’ny arivo

mambabo ny fo sy ny saiko.

Partager iarivo

Commenter iarivo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri Ratsimbazafy

Suite