4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Veloma, mahitÀ fahasambarana - Henri ratsimbazafy

Veloma, mahità fahasambarana
Veloma, hitanao ny varavarana,
         aza mierika akory
         fa ny lalanao no zory !

Raha misaraka hono mantsy anie mazàna
misy ranomaso kely izay tsy tana,
koa azafady raha handeha ianao faingàna
mba tsy ho fendrofendro no ialàna.

Veloma, aza lany andro mialatsiny,
Veloma, aza tanisaina ny fahiny,
          aoka tsy ny amiko no ahiana
          f'izay mahasoa anao kajiana !

Eo ianao no miankanakana
         toa matahotra
izaho anie ka tsy misakana
          aza miahotra,
Aza asiana teny lava,
          aza amboarina
f'efa fantatrao mazava
      anie ny marina :


         samy tia
         efa vonona
         ianareo
         'zaho aty
         efa mionona
         tsy toreo.

Partager veloma, mahitÀ fahasambarana

Commenter veloma, mahitÀ fahasambarana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite