4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Habakabaka - Hanitra Ranaivo

Io habakabaka io

No iraisantsika anio

Ianao an-tany lavitra

Tena lavitra ahy (x 5)



Sento mianatsimo iny

Hitory anao ny alaheloko

Sy ny fitiavako

Tena lavitra anao (x 5)



Taona maro lasa

Tsy nihaonana

Nampitony ny fo

Nisava aloha ny loha.

Sandrinao nandriana

Ny sorokao nitosiana

Sarinao nitahiry

Nanjohy ny lalako iny.



Fony tonga niara-droa

Nentim-pitia

Tsy hay nofefena

Nidobodoboka ny fo

Natahotry ny hifanena (x 5)



Nizarazara koa ’ty fo

Tena tsy nahatombona

Samy mamy sady soa

Hianao ho dada, izy koa ho tiana (x 5)



Hary elatra hanambady

Voron-kelinao

Nanjohy ny lalany aty

Hianao tsy adinony

Fa fanilo misava

Sendram-piainako aty

Akaikiko lalandava

Hianao ridana aty.



Eiaeia eiae …  



Io habakabaka io

Partager habakabaka

Commenter habakabaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hanitra Ranaivo