4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy voalohany misy farany - Hanitra Ranaivo

Misy voalohany,misy farany

Ny hira izay fatao

Ka indro ry tiana ny ahy

Ho faranako eto izao



Androany aho avelao hody

F'efa manina aho

Tsy mahita hira intsony

'zay mety handrotsiana anao



Mangovitra ny tanako

Efa reraka tokoa

Raha mbola hanohy eto ihany

Ny feoko tsy aharak'izany



K'androany aho avelao hody

F'efa reraka aho

Tsy  mahahira eto intsony

zay mety handrotsiana anao



Raha ny fitiavako ry tiana

Tsy ho tapitra akory

Ny any ivelany efa mangina

Ka avelao koa aho mba hatory



Androany aho avelao hody

F'efa vizana aho

Tsy mahahira eto intsony

Ka veloma no atao



Lalalalalalalalalala......

Partager misy voalohany misy farany

Commenter misy voalohany misy farany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hanitra Ranaivo