4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maninona e - Hanitra Ranaivo

(Hiran’i Lôlô sy ny Tariny)



Maninona e ’ zany havako no tomany

Tonga izaho namanao mba manontany

Lasana izy hono omaly namela alahelo mba ho namanao

Ianao tsy irery f’izaho no tonga hitondra kilalao



Maninona e raha takariko ho anao

Iny volana iny hataonao kilalao

Ho avy indray ny ampitso hitondra hafaliana ka hitobaka eto

Raha sendra tsisy izany, tsisy hitomaniana izaho anilanao





Iny volana iny tsy tsinjon’ny olona faly

Fa natao ho anao olona mijaly

Ny heriko manontolo no tambatro mba hitsiky ianao

Ny volana, ny tontolo no alatsako eo an-tongotrao



Maninona é, zany havako no tomany

Tonga izaho namanao mba manontany

Ny heriko manontolo no tambatro mba hitsiky ianao

Ny volana, ny tontolo no alatsako eo an-tongotrao


Partager maninona e

Commenter maninona e

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Hanitra Ranaivo