4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eo anilanao ray - AVM

Mamiko ny miaraka aminao Raiko o !



Eo anilanao Raiko no tiako hitoerana (2X)

Eo anilanao, eo anilanao, eo anilanao no tiako hisy ahy. (2X)



Inona moa no hahatahotra ahy

Raha Ianao no manda fiarovako ?

Inona moa no hahaory ahy

Raja Ianao no hitokiako ?

Izay rehetra iriko azoko avokoa

Raha Aminao no angatahiko.

Nefa nania aho, nanota aho tsy nahay nisaotra Anao,

Izay no nasetriko ny fitiavanao.

Menatra aho eto anoloanao

Tsy nahay nisaotra Anao.

Tompo o, mifona Aminao aho.



Eo anilanao Raiko no tiako hitoerana.

Eo anilanao, eo anilanao, eo anilanao no tiako hisy ahy. (2X)



Inona moa Jesoa no tokony hataoko

Haha-afapo sy hahafaly Anao ?

Inona moa ny didinao hotanterahiko.

Izay rehetra sitrakao lazao avokoa

Fa Aminao, fa Aminao ny fahamarinana.

Nefa nania aho, nanota, tsy nanao izay sitrakao

Izay no nasetriko ny fitiavanao

Menatra aho eto anoloanao

Fa tsy nahay nisaotra Anao !

Tompo o, mifona Aminao aho.



Mamiko ny miaraka aminao Raiko o !

Partager eo anilanao ray

Commenter eo anilanao ray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AVM