4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fifandeferana - AVM

Mahagaga ihany ny fiainana eto an-tany

Mahagaga ihany fa tsy mety

Foana ny fifandrafiana, foana ny korontana

Hatramin’ny goavana sy madinika indrindra



Ovay indray izay tsy mety taloha

Nampisy ny ady sy fifanolanana

Izay tsy mahasoa no tsy tsara ihany koa



Kanefa ilaina indrindra amin’izao

Hananan’ny tsirairay ao amin’ny tsirairay

Ny fifandeferana.



Vao misy kely mahatohina ny fo

Raha vao misy kely azo iadiana

Na azo atao aza ny hanarina izany

Tsy mety fa mihitatra ihany.



Ovay indray izay tsy mety taloha

Nampisy ny ady sy fifanolanana

Ovao izay tsy mahasoa no tsy tsara ihany koa.



Kanefa ilaina indrindra amin’izao

Hananan’ny tsirairay ao amin’ny tsirairay

Ny fifandeferana.

Partager fifandeferana

Commenter fifandeferana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AVM