4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanomezam-pahasoavana - AVM

Ry Andriamanitra any an-danitra o

Ianao nahary izao tontolo izao

Ianao ihany koa no nahatonga ahy ho toy izao.



Noho ny sitrakao dia nataonao

Ho hitako izao fiainana izao

Noharianao toy ireo voaharinao rehetra.



Nahary izao tontolo izao Ianao

Ka miahy ireo vahoakanao

Nanome fahasoavana Ianao

Misaotra ry Ray Tsitoha.



Ny saina nomenao ahy izao

Fahaizana manandratra ireo kanto

Ny fo madio sy mazava

Ary ho voahaja raha ho Anao.



Fanomezam-pahasoavana

Marina fa samy manana

Fa izay nomenao ahy

Dia mahafapo ahy Raiko o !



Nahary izao tontolo izao Ianao

Ka miahy ireo vahoakanao

Nanome fahasoavana Ianao

Misaotra ry Ray Tsitoha.



Ry Andriamanitra any an-danitra

Ianao nahary izao tontolo izao

Ianao ihany koa no nahatonga ahy ho toy izao.



Ireo talenta izay nomenao ahy

Sy ireo tombontsoa izay azoko

Ireo rehetra ireo ry Ray

Entiko hiderana Anao



Nahary izao tontolo izao Ianao

Ka miahy ireo vahoakanao

Nanome fahasoavana Ianao

Misaotra ry Ray Tsitoha.

Partager fanomezam-pahasoavana

Commenter fanomezam-pahasoavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AVM