4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Eny amoron-drano eny - Lalatiana

Eny amoron-drano eny

Zava-maro no miseho

Tantaraiko anareo



Fa tovovavy maromaro

No indreo mifangaro

Mikotaba mihomehy



Mitondra lamba hosasana hono hoe

Mitady toerana hihaonana e

Sady mikosoka no mihomehy

Mahafinaritra ny miresaka

Sady manadio ireo lamba maro

Ao anaty rano



Fa nony kelikely avy eo

Dia injany misy feo

Miantsoantso azy ireo



Iny lakankely iray

Feno tovolahy izay

Mikopa-tànana azy ireo



Dia nanopy maso ireo zavavy

Hitady hahafantatra ireo mpiavy

Faly sahirana no tezitra

"Mahatsiravina, fa mpananihany"

Nefa ny ao am-po toa faly ery

Mody tsy mijery fa mahina.



Tontolo andro eny ihany

Sady manasa no mifananihany

Fa na dia reraka aza ny hariva

Falifaly sady mihirahira

Velon-tsiky na dia lavi-podiana

Miramirana.

Partager eny amoron-drano eny

Commenter eny amoron-drano eny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalatiana

Suite