4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada sy neny - Simon R

DADA SY NENY



Fahiny mbola zaza ny tena

Mbola mandady tsy mahay mandeha

Mibadabada ,miana-miteny hoe

Dada sy Neny



Ireo no teny manan-tantara

Izy ireo no hafaka hanambara

‘zay tsara tokony

Sy tsy tokony  hatao





          Ka rehefa hariva ny andro

          Dada  avy hatrany no antsoinao

          Noana ianao ka mitomany

          I Neny avy haytrany ny tonga

          Hamahana anao



Ny zava-mitranga anefa mazàna

Tafita ianao feno hasambarana

Adinonao sahady ve                        

Ireo lalana nodiàvina taloha                        



Tsy hoe mitady vali-babena                        

Sanatria ny vava ladin’ny lela                        

F’izireo anie no fanilo                      

Nanazàva ny dianao





          Tojon’ny sarotra ianao

          I  Dada sy Neny no tonga

          Tsy hitanao izay aleha

          Izy ireo no mbola tonga

          Hannampy anao





          Hajao izy ireo

          Fa tena mendrika izany

          Sady mbola hafa anie

          Izany fitiavan’I

          Dada sy Neny

                                                 Simon R

          



            


Partager dada sy neny

Commenter dada sy neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Simon R