4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aok’e, aok’e, aok’etsy - Simon Randria

Nisy nisompatra ve ny masoandro

Ka maloka tampoka teo izany andro

No dia misafoaka mafy izato ianao

Mitady ny hamaly faty lava izao



Refrain

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy

Aza mankasika ireo misompatra ny dia

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy



Nanditsoka maso ilay vovoka teo

Noentin’ny rivotra be mankaleo

Aoka ianao tsy hisendoatra amin’izany

Ka hiondrika sady handatsa-tomany



Refrain

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy

Aza mankasika ireo misompatra ny dia

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy



Hodio tsy hita ny onjan’ny tany

Fa tohizo, tohizo, tohizo hatrany

Ny dina kinasa nataontsika roa

Izay mbola ho tanteraka ho tody soa



Refrain

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy

Aza mankasika ireo misompatra ny dia

Aok’e, aok’e, aok’e, aok’etsy

Partager aok’e, aok’e, aok’etsy

Commenter aok’e, aok’e, aok’etsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Simon Randria