4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dada mìly - Simon R

Dada mily



Fito ambidimam-polo sy roan-jato

Antitra maro isan-jato

Izany no isan-dry  dada Mily

Adinon’ny tany ry dada Mily



Gadra lava any Nosy-lava

Ireo mpanjànaka aza efa lasa

Gasikara anie mahaleo tena    

    Asa raha hain-dry dada Mily

    





Fahafahana izany

Asa raha hainy izany

Ny fiainany

Voafehy hatrany



Aretina hanoanana

No ao am-ponja ao

Saka voalavo

No mba namana



Mangahazo vao maraina

Atoandro hariva

No fahorian-dry

Dada Mily



Aok’izay ry dada Mily (2)

Ny fijaliana

Aok’izay ry dada Mily (2)

Ny fahoriana



Dada Mily (2)

Omena anao ny Fahafahana

                                      Simon R                                                  


Partager dada mìly

Commenter dada mìly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Simon R