4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lasa - 'zay

'Reo zava-maro izay natao
nankininay taminao
zary maivana daholo izany
Reo sarotra rehetra
ny fahoriana, fijaliana,
toy ny nofy sisa satria notantananao

Be ireo sedra nitsapanao anay
nefa nahatoky Anao foana izahay
Ka ny ho avy mbola tsy hay, mbola tsy fantatra
ny tananao irery no hitantana azy
ka n'inon'inona hanjo, n'inona hiseho
matoky Anao izahay
matoky ny Fitiavanao anay

Reo andro feno fifaliana
'zay nahabe ny ambom-po
notafianao fahatoniana ny fo
Ireo fakam-panahy
nikasa ny hahazo laka
nosakananao tsy navelanao hanjaka

Be ireo sedra ... matoky ny Fitiavanao anay
matoky Anao izahay
matoky ny Fitiavanao ry Ray

Partager ny lasa

Commenter ny lasa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite