4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voninavoko - Voninavoko

VONINAVOKO



Maro ny roy fa tsy tambo isaina ny vony ao an-tsaha

Ny isany mantsy tsy takatra an-tsaina fa maro mpizaha

Raha toa tanisaina isan-toko izy ireny dia be samihafa

Miavaka anefa ilay Voninavoko izay tiako hitafa



Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady

Na verovenina na violety mijoro toa kiady

Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)

Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko



Ny beldezoro dia tsy azoko afenina fa tena ambony

Ary manalasala ny fiandry lavenona mody tsy mony

Mpanjakan’ny hazo ireo telomiova fa toa hafa foko (hafa foko)

Tokana kosa ilay tena tsy miova dia voninavoko



Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady

Na verovenina na violety mijoro toa kiady

Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)

Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko



Ireo voninkazo voalazako teo sy ireo sisa rehetra

Raha maintany dia miova ny vony sy ny hery rehetra

Fa tokana kosa sy mahaleotena na dia valambalana

Ilay voninkazo iray tena kanto eny an-tanimalalaka



Ao irony lisy madio sy mirentina ireo mpanambady

Na verovenina na violety mijoro toa kiady

Ireo mavokely sy ireo dalia samy manana loko (mana-doko)

Fa tiako loatra ary koa tia ahy ilay voninavoko



VONINAVOKO

Partager voninavoko

Commenter voninavoko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voninavoko