4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsiriry roa - Voninavoko

Tsiriry ahitra hono e, tsiriry vorona

Sahala fitonona mantsy fa samy hafa fomba (X2)



Tsiriry vorona hono e dia manan’elatra

Ka tsy mba mitoetra tsy akory e, fa manidy trano dia lasa.

Fa ny tsiriry ahitra hono e, mandatsa-paka

Ka na dia mivadika aza ny bainga mitsiry eo ihany.



Tsiriry ahitra ni’aho e fa tsy mba tsiriry vorona

Ka tsy mba mankaiza tsy akory e, fa eto an-tany ihany (X2)



Ataovy tsiriry ahitra lahy ny fihavanana

Ka na dia somparana aza tsy mba madilana



Ny lamba sy akanjo aza hono zareo voahidy ao am-bata

Maika fa ny fihavanana roy e, mba hidio ao anaty



Tsiriry ahitra ni’aho e fa tsy mba tsiriry vorona

Tsy ho aiza tsy akory ry lahy fa efa miorina



Ataovy tsiriry ahitra lahy ny fihavanana

Ka na dia somparana aza tsy mba madilana



Ny lamba sy akanjo aza hono zareo voahidy ao am-bata

Maika fa ny fihavanana roy e, mba hidio ao anaty



Tsiriry ahitra ni’aho e fa tsy mba tsiriry vorona

Tsy ho aiza tsy akory ry lahy fa efa miorina. (X3)

Partager tsiriry roa

Commenter tsiriry roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voninavoko