4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavantsika - Randratelo

Raha misy ny tiko, dia ianao ilay tokana
Masoandroko atoandro, volako ny alina
Fitia voarary, ny ahy sy ny anao
Zaza latsaka an-kady aho raha hilaozanao

Fa fo nifanaiky, ny ho doria ny antsika roa
Hoe aina no fetra, sanatria ny hisara-droa
Fa tendrin'ny avo, tsy azo ho sakanana

Tsy manan-tsahala, sanatria tsy kilalao
Fitia voasedra, niharitra an'izao sy izao
Ny feony manako, reko ao anaty ao lalina
Fitia latsam-paka, fitia tena marina

Partager ny fitiavantsika

Commenter ny fitiavantsika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Randratelo