4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavanao ahy - R. Mialy

Verse 1 : Raha tojo ady sarotra, sendra olana
Dia iny Ianao tonga namangy ahy
Raha toa tomany koa, raha be ny alaheloko
Nofafanao ny ranomasoko

Prechorus : Dia tonga Ianao nijery ahy
Dia tonga Ianao nanoro ahy
Ny lalana tokony alehako

Chorus : Fitiavanao ahy tsy lany ritra
Soa vitanao tsy voatanisa
Satria tianao aho

Verse 2 : Raha sendra hakiviana noho izao fiainana izao
Dia mahatoky aho fa eo anilanao
Raha toa tomany koa, raha be ny alaheloko
Nofafanao ny ranomasoko

Bridge : Fa tsy mbola nahita aho
Fitiavana toy ny Anao
Fa tsara Ianao mpanavotra ahy
Fa mendrika Ianao

A/C : Mialy Ratefiarison

Partager fitiavanao ahy

Commenter fitiavanao ahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R. Mialy