4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza manahy - R. Mialy

Verse 1 : Teo ianao dia nikarapoka
Fa nisedra ady mamay
Saika resy, tsy nahatraka intsony
Fa nitambotsitra teo re

Prechorus 1 : Nahita anao aho nitanondrika
Nanganohano niondrika
Ianao toa tsy mirana
Ny sainao toa sahirana

Chorus : Aza manahy intsony
Fa mijery anao ny masony
Fa ianao anie ka tiany
Tadidio fa ianao tsy foiny

Tag : Aza matahotra
Fa Izy efa nanokatra
Lalana ho anao
Aza manahy

Verse 2 : Tomany foana no niainanao
Be ny fahoriana nandalovana
Tahotra sy ireo ahiahy
Tsy misy tsy ao aminao

Bridge : N’inona ady sedrainao
Dia matokia fa Izy miady ho anao
Manana Ray be fitia ianao
Aza manahy

A/C : Mialy Ratefiarison

Partager aza manahy

Commenter aza manahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe R. Mialy