4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny eo anilanao - Ny Aleloia Anosisoa

Ny eo anilanao ry Raiko

No mety hahasambatra ahy

Iriko mba ho mandrakizay

Satria tsy misy mampanahy



Izany foko sy izany saiko

Dia hapetrako hipetraka aminao

Ny herinao no ilaiko

Mba hanaovako ny sitrakao



Izany foko izany foko sy ny saiko

Dia hapetrako hipetraka aminao

Ny herinao no ilaiko, no ilaiko

Mba hanaovako ny sitrakao



Ary mamiko raha mamiko

Izany any an-danitra any

Iriko ho akaniko

Raha miala ety an-tany



Ry Ray, tolory fahendrena

Ireto ondrikelinao

Hahaizanay mitondra tena

Ho tonga anilanao

Partager ny eo anilanao

Commenter ny eo anilanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Aleloia Anosisoa