4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iny izy iny - Ndondolah sy Tahiry

Aza feranao mihitsy aho raha hiteny,

Avelao mba hilaza aho f’efa lehibe

Fa tiako izany matoa lazalazaiko aminao foana.

Aza asianao resaka manakiana

Na ho tia na tsy ho tia ahy izy tsy maninona

Fa tiako izy iny matoa ambarambara aminao foana.



Iny izy iny

Mahafinaritra ahy,

Manintona ahy,

Nefa menatra aho.

Fa satriko e

Fa satriko e

Ny ho eo anilany

Izaho nefa tsy sahy.

Fa iza loatra e ?

Tena babo aho.



Iny izy iny tsy mahalala ahy,

Tsy mihevitra ahy,

Nefa menatra aho (ny hanatona azy)

F’efa ela loatra, eny e, no nahitako azy.

Nahitako azy...

Tena babo aho.

Nahoana re ?(in-7)



Aza feranao mihitsy aho raha hiteny,

Avelao mba hilaza aho f’efa lehibe

Fa tiako izany matoa lazalazaiko aminao foana.

Aza asiana resaka manakiana,

Na ho tia na tsy ho tia ahy izy tsy maninona

Fa tiako izy iny matoa ambarambara aminao foana.


Partager iny izy iny

Commenter iny izy iny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ndondolah sy Tahiry