4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vetso - Jovial

Aiza ho aiza izao no misy anao

Ry nandao ity ankany

fantatro fa ho avy ianao

Hiverina ndray andro any



Zovy no afaka hanambara

Ilay fotoana andrandraina

Hafaingano ry malala

Hoy ity foko mitaraina



Lasa vetso aho eto anjaridaina

manina aho nefa tsy afaka mankaiza

Rahoviana no foana foana ny toloko

Fa manembona lava izany foko



Efa ela izay tsy nahitako azy intsony

Antanin'olona ilay malalako

Tsaroiny ihany ve ny fonenany

Izay mbola hiverenany



Antenaiko fa tsy ho ela

Ilay andro izay hiaviany

Dia ho foana ny taraina sy hitony koa ny saina

Partager vetso

Commenter vetso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jovial