4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voafitaka - Imagine

Nahita ianao olon-kafa nasolo ahy

Dia maty tao am-ponao niaraka tamin’izay ny anarako

Ny fitiavako anao toa zary mody odinao adala

Dia noheverinao ho toy ny tsy misy aho



Fa hatsaram-panahy no niriko

Ho sakaizan’ilay bika aman-tarehy nanananao

Indro tsapako sahady

Fa ho faty an-kazo tokana aho raha mifikitra aminao



Tsy nanam-po velively aho

hoe feno fitaka ao am-ponao

satria ny endrikao tsy mba milaza izay koboninao

ny hatsaram-bikanao ny hatsaran-tarehinao mihitsy

no tena anisany nandiso ilay safidiko



Voafitaka mantsy izany foko

ka dia nobabonao tsy am-piheverana tokoa

Izao vao tena tsapako

fa fijalina ho ahy ny fitiavako anao

Partager voafitaka

Commenter voafitaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine