4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anao manontolo - Imagine

Omeko anao ny tontolo

Ombam-pitiavana

Feno hasambarana

F’atolory ahy ’lay fo madio iainanao



Omeko anao izay rehetra

Nokasainao raha miaraka amiko

Fa ny fonao no tiako ho ahy manontolo



Réf.

     Ho anao irery

     Ho anao tsy misy miery

     Foiko anao irery

     Ilay tsara indrindra tao

     ’Zay tena hasambarana vaovao



Omeko anao ’lay nofy manga

Isika hiaraka

An’habakabaka

Hanidina tsy ho ety an-tany

Tena mamy



Omeko anao ’lay diamondra

Ravaka tsy foiko

HAJA notrotroiko

K’aza fitahinao fa tia ity foko



Réf.

     Ho anao irery

     Ho anao tsy misy miery

     Foiko anao irery

     Ilay tsara indrindra tao

     ’Zay tena hasambarana vaovao

Partager anao manontolo

Commenter anao manontolo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Imagine