4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omenay voninahitra - Groupe MANRESE

Omenay Voninahitra e e e

Omenay Fanajana a a a

Ianao Ry Tompo Andriamanitra

Ianao 'Lay Avo indrindra



Omeo anay kosa

Ny fiadanana ety an-tany

Ny fiadanana ho an'Olombelona

Ny fiadanana sy famindram-pò



Ho an'ny Ray ny Dera y ny Laza

Mpanjakan'ny tany aman-danitra

Mpahary an'izao tontolo izao



Omenay Voninahitra e e e

Omenay Fanajana aaa

Ianao Ry Tompo Andriamanitra

Ianao 'Lay Avo indrindra



Ho an'I Jesoa Zanakondrin'Andriamanitra

Manala ny fahotan'ny Olombelona

Ilay Tompo, ilay Zanaky ny Ray



Omenay Voninahitra e e e

Omenay Fanajana aa a

Ianao Ry Tompo Andriamanitra

Ianao 'Lay Avo indrindra



Ianao Ry Tompo no Avo indrindra

Ianao no miaraka amin'ny Fanahy

Anao irery ihany ny voninahitra



Omenay Voninahitra e e e

Omenay Fanajana

Ianao Ry Tompo Andriamanitra

Ianao 'Lay Avo indrindra




Partager omenay voninahitra

Commenter omenay voninahitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Groupe MANRESE