4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Osik'i gasikara - Feon ala

1-)
Volagnareo avy antsinanana
Ny matoky antseranana
Volagna ety nian'ankarana
Mifankatiava e!
Fombantsika mifampitantana
Osik'i Gasikara , mifankatiava e!
Teny rasaraka Toamasina
Ny maro no teny masina
Tenin'i Antsinanana
Mifankatiava e!

Refrain:
Mpihavana aby e!
Atsimo na avaratra any
Tsara hira, tsara dola, tsara koragna
Mpihavana aby e!
Andrefana na atsinanana
Tsara hira, tsara dola, tsara koragna

2-)
Kabaro dreo avy aty boina
Ny maro no tsy matra-boina
Kabarin'ny Sakalava
Mifankatiava e!
SOva soan'i Toliara
Ny kilonga filongo mahatsara
Havan'i Toliara
Mifankatiava e!

3-)
Hoy ny kilongan'i Fianarana
Atambaro fa te-hihavana
Tarogny betsileo
Mifankatiava e!
Azo ny havana aty arivo
No mitambatra mpanarivo
Vazon'ny renivohitra
Mifankatiavava e!

Partager osik'i gasikara

Commenter osik'i gasikara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feon ala