4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izay iriko ho anao ry tany mamiko - Chorale Ny Antema

Izay iriko ho anao ry tany mamiko

Dia ny hiadana sy handry fahalemana

Hiray fitempo fo ny mpiara-belona amiko

Kapoaka tokana no gohina itelemana

Tanindrazana no rivotra iainana

Aina anaty tsy voazaran’ny fisainana

Andriamanitra  fitiavana no ivavahana

Hitondra soa anie ny tolom-pahafahana



Izay iriko ho anao ry tany tiako

Dia fitoviana, hajan-jo , tsy fanavahana

Ka eo ny rariny sy marina takiako

Ho heno hanjary hanitra ankasitrahana

Firenena no hery velona mitambatra

Hijoron’i Madagasikara sambatra

Andriamanitra fitiavana no ivavahana

Ho anay vahoaka te hiaina am-pahafahana



Izay iriko ho anao ry fireneko

Dia taranaka hitraka tsy hay vozonana

Ka izay feom-panahy henoiny no ho reko

Hitaky soa dia ady masina iombonana

Tolo-tsaina tsara paika sy voakendry

Mba hananan’ny hoaviko olon-kendry

Andriamanitra fitiavana no ivavahana

Ho tonga anie ny fahendrena, fahafahana



Izay iriko ho anao ry tanindrazako

Dia ny hiravahanao ny satro-boninahitra

Ka ny dinitra sy ra no hiotazako

Na dia handraofako ny fara-vodifahitra

Inoako, henoko, antenain’ireo taranako

Fitiavana hanandratra ny tarigetra tanako

Andriamanitra no tokana ivavahana

Mba hitrotroako ilay amboaram-pahafahana



Saina matotra, mijoro

Hery tsy misetrasetra

Fanahy natoro ,ka hanoro

Hiadanan’ny rehetra

No hiasako ka hanasinako fa tsara

Ianao, ianao ry Madagasikara



LEST ANDRIAMBELO

Partager izay iriko ho anao ry tany mamiko

Commenter izay iriko ho anao ry tany mamiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Chorale Ny Antema