4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ditsoka - Buddha el taga

DITSOKA - BUDDHA EL TAGA feat NICOLE

(NICOLE intro) X3
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

(NICOLE Refrain intro) X2
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana


(BUDDHA EL TAGA Verse one)
Raha mba maraina toy ny maraina rehetra no niriana
Isan’andro aho voatery foana ibaby ny hazo fijaliana
Sao dia mba diso tantara fa ny faniriako ho tsara fiafara
Tsy Jesosy aho, fa EL TAGA BUDDHA, OLON’NY TENA FANAHY
Ady hono ny fianana dia mbola miady foana aho
Miady mifamono ny olona, miady saina, adidy, ady ady tsisy farany
Dia mbola miady lavaka ihany koa andevenana ny vatana
Dia iantso devoly aho eo amin’ny sampanan-dalana Sa iantso anjely mpiambina?
Fa na iodin-kavia na iodin-kavanana
Rehefa tsy mitandrina, toa mitovy ihany fa samy loza manambana
Ny faniriako anie tsy hoe hiaina ohatran’ny mpanjaka
Fa miaina tsotra, mila namana hizarana izay tsy zaka
Raha misy marina any ho any mpanafak’alahelo
Ataovy manjavona ity fahoriako ity, 1, 2, 3
Dia mba fafao koa ny tavako
Fa sao ny ranomasoko, manjary ifalian’ireo fahavaloko

(NICOLE Refrain) X2
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

(BUDDHA EL TAGA Verse two)
Dia na any anaty nofy ary tantara ratsy, niafy teny foana ka niafy
Ny hany mba sisa namana: penina sy taratasy
Isan’andro aho mila maka toky
Raha nangoniko izay voasoratro hatramin’izay, nahavitako boky
Mitondra ny lohateny hoe:”Mavesatra ny alaheloko”
Fa nolaniako tamin’ny fitarainana ilay mba hany sisa heriko
Ny tavako itako amin’ny fitaratra toa tsy fantako intsony
Fa n’iza n’iza handresy lahatra toa efa very ny ahy ny finoana
Fa nahoana hono? No raozy mainty ny ahy,
Fa ny an’azy hafaliana tsy omby tratra foana no mameno ny fony
Dia aza gaga raha indray androany aho ivadika biby, fa isan’andro aho kivy
Fampatsiahivana ity ho an’izay nanao ratsy ahy fa mody tsy maha-tadidy
Dia na izaho maty na izaho mafy
Efa vonona aho fa alefaso ny tafio-drivotra mifafy
Fandalovana ny tany, fandalovana ihany
Ny fahatongana teto niantomboka tamin’ny tomany ka hifarana amin’ny tomany

(NICOLE Refrain) X2
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

(BUDDHA EL TAGA Verse three)
Atsangako ny rindrina, manelanelana ahy sy ny hetraketraky ny tany
Fa tsy rariny kosa raha isan’andro ny masoko mibindana, tsy nahalala intsony hafa tsy tomany
Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, mety ho vitako ihany
Fa raha ny ivavaka ho an’izay fahavaloko any, nofy izany
Mety hoe mbola tsy takatro androany ny herin’ny vavaka sy ny fampianarana tsara nampitanareo
Fa mba meteza eo amin’ny toerako, fa raha isan’andro ianareo no mitoreo
Mety hiova ihany ny soratra sy ny hakon’ny feo
Iza moa aho no hitsara? Fa mba mila fanavotana
Ny alahelo izao no sisa tantara, ny fahoriako no navadiko aromotana
Raha tsy itsahatra intsony ny ranomaso, aleo iteraka safo-drano
Ho porofo fa alahelo lava no mameno ny tany, tena marina izany fa tsy angano
Izay avoakan’ny ampitso misitery tsy fantatra
Dia averimberiko fatratra ilay vavak’I WADA anatin’ilay vazo: “ANKAMANTATRA”

(NICOLE Refrain) X2
Ditsoka aho, ditsoky ny ranomaso
Ditsoka aho, difotry ny fahoriana

(BUDDHA EL TAGA Bridge)
Dia indray androany aho na mahita Genie ana-lampe
Dia tsy sahy hangataka na inona na inona aho sao dia ny fahoriako indray no miampy
Raha ny fitiavantsika rehetra no miara-mitambatra
Dia ataontsika ity tany ity ho sambatra

(NICOLE Bridge) X 2
Ditsoky ny ranomaso, ditsoky ny fahoriana
Ditsoky ny ranomaso, difotry ny fahoriana

(BUDDHA EL TAGA OUTRO)
Atolotra ho an’ny TANGALA MAINTY
Atolotra ho an’ny 001 KLAN
Atolotra ho antsika rehetrarehetra










Partager ditsoka

Commenter ditsoka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Buddha el taga