4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vatolampy (antoko mpihira ezrahita) - Antoko Mpihira EZRAHITA

Ny andro diavin\\’ny fiainako

Dia saron-drahon-dava izao

Toa mila hanimba ny fisainako

Ny fahoriana mifamaho

Ireo zava-nantenaina ho soa

Tsy nisy izay mba hany to

Ireo nantenaiko aza indro koa

Nandao ahy avokoa



Nefa na ho levona aza izany nofo sy ny fo

Na handao avokoa ny tontolo

Mbola ao ilay Vatolampy izay inoako ka

Ho akaikin\\’Andriamanitra ny foko



Ankehitriny anefa tsapako

Fa hay ireo fahoria-manjo

Ilay nisedra ny fitiavako

Sy tsapan\\’ny finoako

Mba hamantarako ny fiainana

Ka hanatonako ny Ray

Soa ihany fa nisy fahoriana

Soa ihany aho nampahoriana



Koa na dia ho levona aza izany nofo sy ny fo

Na handao avokoa ny tontolo

Mbola ao ilay Vatolampy izay inoako ka

Ho akaikin\\’Andriamanitra ny foko

Partager vatolampy (antoko mpihira ezrahita)

Commenter vatolampy (antoko mpihira ezrahita)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antoko Mpihira EZRAHITA