4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiadanana - Antoko Mpihira EZRAHITA

Ho anao izay mitady ny Fiadanantsoa

Amin’izao fiainana izao

Ka mandeha mankatsy, ary sy aroa

Mikorana ary koa milalao

Kanefa tsy mahita izay mahasoa

Fa vizana foana ny nofo

Inty misy fiainana atoroko anao

Andramo dia ho hitanao



Jesosy, Jesosy

No fiainana atoroko anao

Jesosy, Jesosy

No hany hampiadana anao

Ka raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy

Hanapaka ny fiainanao

Dia ho hitanao ilay fiadanana

Haharitra ho Mandrakizay



Ianao ianjadiam-pahoria-marobe

Amin’izao fiainana izao

Tsy misy hazavana fa toa haizim-be

No mandrakotra ny fiainanao

Ka mila ho kivy sy hamoy fo

Noho ireo adim-piainana maro

Inty misy fiainana atoroko anao

Andramo dia ho hitanao



Jesosy, Jesosy

No fiainana atoroko anao

Jesosy, Jesosy

No hany hampiadana anao

Ka raiso Jesosy ho Tompo Mpamonjy

Hanapaka ny fiainanao

Dia ho hitanao ilay fiadanana

Haharitra ho Mandrakizay



Mpamorona: Andrianaivoniaina Nirinasoa


Partager fiadanana

Commenter fiadanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antoko Mpihira EZRAHITA