NA DIA MBOLA MPINAMANA 
Tsy mety afaka an-tsaiko 
Ny sarin’ilay endrikao 
(feon-kira kely)
Tsara sarotra hadinoina 
Ianao foana re no tsaroana
Na lavitra aza anie
Ny elanelan-tany 
Ny fitiavako anao 
Fitia tsy mety lany 
Na sarotra ihany koa
Ny ady zay atao
Ny fitiavako anao
Fitia tsy kilalao 
Ny nofy mamiko hatramin’ny ela
Ny hitoetra eo anilanao
Faniriko hatrizay ela izay
(feon-kira kely)
Tsy nanenenako izay rehetra lasa 
Raha ny fiarahana hatramin’izay 
Na dia mbola mpinaman’isika 
Improve 
Tsapako anatin’ny foko
Fa mitempo fitia aminao 
(feon-kirakely)
Mivezivezy ny saina 
Velon-tsento ary koa mitaraina
Mila tsy andriko ny andro maraina 
Na diavolana aza
Tsy eo anilanao 
Haizina foana re 
No ao am-poko ao
Nefa na oram-baratr’aza 
Ka eo akaikinao 
Dia toy ny lohataona 
Feno hafaliam-be 
Ny nofy mamiko hatramin’ny ela
Ny hitoetra eo anilanao
Faniriko hatrizay ela izay
(feon-kira kely)
Tsy nanenenako izay rehetra lasa 
Raha ny fiarahana hatramin’izay 
Na dia mbola mpinamana isika 
BITAKA
BIka sy TArehin-java-KAnto