EMBONA ANAO 
Izaho anie, manembonembon-dava 
Ilay endrikao tsy maty ao an-tsaiko ao 
oh ! oh ! oh ! Ianao 
Réf : 
Veloma ianao, aza manadino 
Oh! Oh! Oh ! Aza manadino 
Aza malahelo, fa ny sariko banjino 
(Ny sariko) banjino 
Ho anao ihany anie ry tiana !
Ho anao ilay efa nofidina !
Ilay endrikao, toa miramiran-tava
Mibanjina ahy an’eritreritro ao 
Oh! Oh! Oh! Ianao 
+ Réf : 
Na lavitr’aza, ny elanelan-tsika 
Ny fitiavako anao tsy mba hangatsiaka 
(Ny fitiavako) tsy hangatsika 
Ho anao ihany anie ry tiana 
Ho anao ilay notiaviko mangina 
+ Réf : 
Fa ho anao irery anie ry tiana 
Ho anao irery aho mandrakizay 
oh!oh!oh!, ô!oh!ô! ô!oh!ô! an!an!an!
Embona Anao...
									BITAKA
BIka sy TArehin-java-KAnto