4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fitiavako ... - Tselatra

Ny fitiavako atolotro anao
Raiso re ny foko ka anjakao
Ka aza toherinao fa izy tia, tsy kilalao
Aza atosikao fa fo mitempo ho anao
Doran'ny fitia miredareda te hiaraka aminao

Ianao irery no mba tiako
Ho tantanako sy hitosiako
Fa na mora na ho sarotra ho diavina
Fitiavako anao dia maharitra

Tsy fantatro izay marina
Fa jamba nokapahina
Sangodim-panina ny rivotra hiainako
Toa manitra anao ...

Na inon-kidona, na inon-kitranga
Na handrivotra na hanavandra e
Marim-pototra ny antsiaka
Izaho sy ianao, miara-dia mandrakizay

Tsy fantatro ... (2)
... fitiavako rehetra efa nomekko anao

Partager ny fitiavako ...

Commenter ny fitiavako ...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite