4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Misy andro - Tselatra

Misy andro maloka mangatsiaka

Rakofan-draho-mainty tsy hibaliaka

Misy andro manjombona sy mahonena

Vao nihiran-tsaina nefa dia nianjera

      avia(2) isika anie

      hifampitantana hiara-dia re

      avia avia isika androany

      itady itady ny marina hatrany

Misy andro manontany tena

Nahoana no hanompo vola sy harena

Fa ny omaly ihany no mbola  androany

Nangoninao tety tsy manaraka anao any

      mba avia avia isika andeha

      hivavaka hifankatia be

      avia avia isika androany

      hanarakany tsara sy mamy

Ka aza tsindrina ny olona mahantra

Fa mba jerijero ny ady tsy ombi tratra

Doro atidoha adabohy fa tsy soa

Mpiray tanindrazana soavina mialoha

Mpiray tanindrazana tiavina tokoa

      ka avia avia isika re

      fa tsy fiainana ny mafy ady lava ity e

      avia avia isika androany

      hifanolotra ny mofo tsy lany

Dia aza variana mitsetsitra foana

Hitady voninahitra mandavan-taona

Ka angoro-karena fa olo-tia-tena

Mba zarazarao ny vokam-pirenena

      avia avia isika handeha

      hiaraka hihira hivavaka be

      avia avia isika androany

      hiara-dalana ho any lavitra any

Misy andro maloka mangatsiaka...



                                    Erick


Partager misy andro

Commenter misy andro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite