4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova ianao - Tselatra

NIOVA IANAO



Niova ianao tsy toy ny taloha

Niova lasa nila ady foana amiko

Satrinao isan’andro izao

Manao tarehy ratsy hatahorako anao

    Raha tapaka aho tsy fantatrao

    Fananana ihany no nampitsiky ny endrikao

    Marary ny fo miasa mafy ny loha

    Mikatsaka izay hahasoa anao tokoa



Isan-kalina izao aho é !

Manonofy anao

Mivadika horera mitazona tsy mamela

Ho any amin’ny "enfer"





   Niova ianao tsy toy ny fahiny

   Lasa be fikafika ankehitriny

   Sahinao isan’andro izao

   Manao tarehy vinitra andosirako anao

Fananam-be anaty vata é !

Manitikitika ny ati-dohanao re !

Niova ianao à ! tsy toy ny taloha

Niova be politika ve tokoa



Isan-kalina izao aho é !

Manonofy mahita anao

Mivadika horera misintona tsy mamela

Hitsingidina handeha hianjera





     Niova ianao tsy toy ny taloha

     Niova lasa nila gidra foana amiko

     Satrinao isan’andro izao

     Manao tarehy ratsy andosirako anao

Raha tapaka aho tsy fantatrao

Dollar ihany no mampitsiky ny endrikao

Marary ny fo miasa mafy ny loha

Mikatsaka ny hisondrotra miaraka aminao





tselatra



RAMANANARIVO Andry Eric

Partager niova ianao

Commenter niova ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite