4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Alondrano - Tselatra

Maro ireo alondrano
akon'ny loza sy angano e
mila andrendrika antsika a
mibohibohika tsy mety ritra
ao ireo mpisopatra
indrindra ko ny pihalona
mitady ny amotraka
mijery antsika miarakaraka

andohako foana e
ny hoe eo anilanao
katsahiko mafy ery
ny ahafalifaly foana andry

Mitraka fa aza miondrika
fa tsy irery akory ialahy
avy antratrako
rotsirotsiko fitiavana

izaho akory tsy mba iala
ka matokisa ry malala e
tantely nahita mamy
ka makamaka fy atrany

satriko foana e
ny ho eo akaikinao aa
mamiko ery
ny mihirahira mihaja ho andry

tena tia ree
maka-fy oaa
manaja foana ny aty

Maro ireo alondrano
akon'ny loza sy angano
mila andrendrika antsika
mibohibohika tsy mety ritra (2x)

andohako foana e
ny mba ho eo anilanao
satriko ery
ny ihira avo feo ho andry

Partager alondrano

Commenter alondrano

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite