4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy rariny - Tselatra

Tsy mba rariny kosa re!

Raha zavatra tsy natao no hitondrana ny mangidy

O!mijaly tsy manan-tsafidy

Aiza re ny mazava ety?

No fijerin’olombelona kely fitia,

no manjaka hatrany hatrany

raha maro ny ontsa sy tomany



Mba rahoviana

no hanjaka ny marina

ka tsy hisy intsony ny hosolafaka

Mba rahoviana no hanjaka ny tena fitia

ka tsy hisy intsony ny mpihatsaravelatsihy



Mahonena tokoa indrisy

fa misy sahy manitsinitsy

manendrikendrika tsotra izao

ny zavatra tsy vita tsy natao

Maro isika mpivahiny

voafingana nianjera ka marary

diso anjara dia mitantara

very ny hoavin’ny dimby sy fara



Tsy mba rariny kosa re!

raha izy foana no atao hijaly é!

hitondra ny zioga mandrakizay

fa tsy mba hanana ny tena rahalahy

Aiza re ny marina ety

no fitsaran’ny nofo kely fitia

no manjaka hatrany hatrany

ka maro no ontsa

lavo nandao ny tany

Mba rahoviana no hifarana ny endrikendrika

ka tsy hisy intsony, ny higadragadra foana

mba rahoviana no hanjaka ny tena fitia

Ka ho foana daholo ny mpihatsaravelatsihy?

Partager tsy rariny

Commenter tsy rariny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselatra

Suite