4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy fitia - Rija Ramanantoanina

Tsy fitia tena fitia no niaretantsika mahamay

Fa sandoka, sarisary, aloka.

Tsy fitia tena fitia fa endrika mamitaka ny fo ‘zay mody tia

No nanintona ahy ho anao

Haravona mora lo,

Hafaliana efa tonta no nameno fo,

Dia voafitaka tokoa

Ka niroboka vao sempotra



Tsy fitia tena fitia no niaretantsika mahamay

Fa sandoka, sarisary, aloka.

Tsy fitia tena fitia fa endrika mamitaka ny fo ‘zay mody tia

No nanintona ahy ho anao

Haravona mora lo,

Hafaliana efa tonta no nameno fo,

Efa firifiry koa

Ranomaso sisa namana manaiky ny hiara-dàlana amiko,

Hadisoana tsotra izao

Niarahana natao, mankalao



Fa ny nofy efa nandà tsy nety hanaraka vetsovetsontsika roa

Efa fantany mialoha ;

Tsy mba vitsivitsy koa ny bitsiky ny alina

Efa mila hankaleo,

Nefa marina ireo,

Fa raha azo no mandà,

Tsy hanjary ho fanaka,

Dia aleo fongorina

Na raha toa tsy hanome

Izay tokony omena dia efa anisan’ireo zava-mora lo

Hadisoana tsotra izao

Niarahana natao, mankalao



Fa raha azo no mandà,

Tsy hanjary ho fanaka,

Dia aleo fongorina

Na raha toa tsy hanome

Izay tokony omena dia efa anisan’ireo zava-mora lo

Efa leo ny hoe tianao aho,

Tsotra ny azo atao

Tsy nanatsoina ho ahy ianao

Hadisoana tsotra izao

Niarahana natao, mankalao


Partager tsy fitia

Commenter tsy fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite