4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hafatra - Rija ramanantoanina

Hafatra,

Tsy voanfintiko ora vitsy,
'Zay niainantsika roa
Tsy voatantarako mihitsy
'reto angano teo aloha

Tantara, sedra, lala-maro
nandalovana avokoa
Tomany, tsiky mifangaro
Dia samy hitantsika roa

Kinajo, iray minitra monja
Dia potika sy rava-maina
Ireo toky, dina toa mafonja
Nianjera tsi hita hoantenaina

Nataoko ho mafy izay voajoro
Ka tsy ho rava mora foana
'Hay iray minitra dia nikoro
Ankehitriny, midina foana

Inoako anefa, fa toa ambom-po
Ny tena olantsika roa
Fa ny fitiavana mirehitra
Miandry antsika ho hary fanahy
Miandry antsika ho andrandraina

Partager hafatra

Commenter hafatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija ramanantoanina

Suite