4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fa iza... - Rija Ramanantoanina

Nosoloiny olon-kafa hono ianao

Sady koa nokasainy nafoy

Notefeny fiainam-baovao

Ilay fitiavany mba ho matoy

Fa na dia tia aza ianao tsy nohenoiny

Nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny



Fa mbola hita sy tsapa ny lasa

Izay niarahana tsy ho voafafa

Ny manadino azy angamba no tsy vita

Ny fo no ampangino tsy hitanisanisa

Tia azy ianao fa tsy nohenoiny

Nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny



Fiv: Fa iza moa ianao

     No ndeha hahalala

     Izay ho tiany

     Ka hametra izay safidim-pony hoe tsy maintsy ho tianao

     Fa na dia tia aza ianao

     Ilay hoe tia adala

     Tamin’iny

     No mety ho marina izany f’izao hamafiso ny fonao



Fa mbola hita sy tsapa ny lasa

Izay niarahana tsy ho voafafa

Malahelo ve moa ianao tsy hitomany

Kanefa ny omaly efa lasana any

Tia azy ianao fa tsy nohenoiny

Nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny



Jereo ny maraina vaovao

Mbola hisy mamiratra ho anjaranao

Velomy ao am-ponao ny feon’ny fanantenana

Fa hisy masoandro hitondra hafanana

Mbola hisy fanilo hafa indray

Hafa indray...



Fiv: Fa iza moa ianao

     No ndeha hahalala

     Izay ho tiany

     Ka hametra izay safidim-pony hoe tsy maintsy ho tianao

     Fa na dia tia aza ianao

     Ilay hoe tia adala

     Tamin’iny

     No mety ho marina izany f’izao hamafiso ny fonao


Partager fa iza...

Commenter fa iza...

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite