4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo - Rija Ramanantoanina

Dia mifitsaka mangina

Ilay zandry feno loto

Manondrika ny lohany

Mandinika ny tany

Itsahiny rehetra

Mitsinjo ho alehany



   Ny hodiany moa tsy misy

   Ny vatsy koa dia foana

   Ny ankoditra miharovitra

   Ny fafin’ny fanala

   Ny hovitry ny hatsiaka

   Iaretany avokoa ireo



       Fa trotraky ny fiainana

       Ilay tovolahy ka fanina

       Tsy hita intsony izay ho aleha

       Toa tapitra ny lalana

       Ka ny ainy ho lasa

       No hany sisa andrasany

  

          Ray o! Ny anio sy ny ampitso

          Izay anao raha sitrakao anomezo azy koa

          Omeo azy anio ny hazavana

          Izay tsy hitany hatrizay omeo azy Raiko o!



Dia nivadika ny taona

Nandroso teny ny andro

Dia hitako ranamana

Arahin-tovovavy

Mibaby zazakely

Mitovy loko aminy

  

   Fa zara raha mitafy

   Ity zaza menavava

   Matory eo andamosiny

   Toa taratra sahady

   Ny aloky ny ampitso

   Sy ny endriky ny fiainany



       Voatokana hijaly ve

       Ity zandry kely nihalehibe

       Tsy hita intsony izay aleha

       Toa tapitra ny lalana

       Izay alainy

       Tsy hita ho diavina

          

          Ray o! Ny anio sy ny ampitso

          Izay anao raha sitrakao anomezo azy koa

          Omeo azy anio ny hazavana

          Izay tsy hitany hatrizay omeo azy Raiko o!



                            

Partager omeo

Commenter omeo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite