4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mino aho - Rija Ramanantoanina

Mino aho fa onena ny mijaly

Ny Raintsika ao an-danitra ao

Ka indro ny vavako mivaly

Nampiany aho ka nahita anao



Ny fahadalako tsy isainy ho fahotako

Mino aho, mino aho, mino aho

Ny fahadalako tsy isainy ho fahotako

Mino aho, mino aho, mino aho



Mino aho f’Andriamanitra tsitoha

Mpamoron’izao tontolo izao

No mbola hanao izay hampifoha

Ho ahy ny fitiavanao



Mino aho f’Andriamanitra mahery

Mpamoron’izao tontolo izao

Hitandrina anao ho ahy irery

Hitandrina ahy ho anao



Ka izay sitrapony no ekeko fa ambony

Mino aho, mino aho, mino aho

Ka izay sitrapony no ekeko fa ambony

Mino aho, mino aho, mino aho

Partager mino aho

Commenter mino aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Ramanantoanina

Suite