4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fiainan'ny gasy - Resistance in 9

-hatramin’izao
Ny fiainana,lavitry ny fahombiazana
-mampalaelo
Ny tontolo,rako-drahona
-lavitra ny dia
Zay mbola iainana,nefa ny fiainana
-ho aiza?
Raha tsy misy,ny fanantenana

Ref:
-mila milofo ianao,mila mikiry ianao…..
Ka dieny izao,aza varina sao****

Rap1:
-Efa aiko ainao,
Fa isika Malagasy atram’izao dia tsy afa-bela fa mbola kilalao
-ambany zioga panjanahana lava izao
Ny aratsia panahy fa na ho voatakona paltao// injao
-fa toy ny bozaka maina,mandady valala bemandry
Fa tsy mba nisy ny aim-baovao
-fiainana mits no efa loza mitatao
Fandringanana tsy satry ho an’ny mahantra efa voa bilao

Rap2:
-ny akamaroan’ny Malagasy,dia miaina amin’ny tsy fisiana
Dia mila tolo-tanana ka mila fanampiana
-ny fiainana amin’izao fotoana toa tsy ampy fitiavana
Ts ampy finiavana ka lavitry ny fiadanana
-dia mba raovina ihany ary,vao ho tojon’ny fifaliana
Ho tojon’ny fahombiazana ka ho dify pahorina
-na misy azan y manana dia misy koa ny mijaly
Ty fiainana ity ve dia tsy mba mety ho lavorary?

Rap:
-Ty fiainandago ty toa fiainan-demony e!
Manjaka ny kely saina satria topon’ny vola e!
-izy no mibaiko satria anazy ny fahefana
Voavidiny ny marina manjaka ny ts ara-dalana
-ny mahantra etsy ankilany manadino an’ilay nahary
Tsy dia manam-potoana ,varina milahatra vary
-rahovina vao andryfahalemana ny fireneko ôô
Politika,kolikoly tsy ekeko!!!!

Ref:
-mila milofo ianao,mila mikiry ianao…..
Ka dieny izao,aza varina sao
Rap1
Fa reo zay ghetto,mijaly matoa tonga eto ô
Fahoriana ,fijaliana no fiainanay hatreto
-ka tairo areheto,ny afom-panantenana
Fandriampahalemana,fitiavana no anjaka amin’ny tany
Rap2
Malagasy na mahatra aza tsy mba mivaky loha
Sarom-bilany no apôaka rehefa very tombontsoa
-lasa/zanakin’ny lalana avokoa
Na ireo manan-kaja ambony na ireo rovi-pataloa
-ajambaina izay gasy mba tia ho soa
Madagasikara indrisy valalan’amboho
-nahoana moa,raha ifanolon-tanana ifanasoa
Amela fandrosoana,fitiavana ao am-po

Rap3
-maro loatra ireo vahoaka Malagasy no sodokan’ny fahatsarana
Ka tsy mahitan’ny lalan-kombana
-tsy mikatsaka ny ho avin’ity firenena sy ny ho avin’ireo taranaka amam-para
-nefa ho aiza?gasikara raha izany no toe-tsaina
Fandrosoana ve?amin’iza no antenaina
-mafy ny fiainana,mafy mamay
Mila milofo ianao raha mba tia ho tafa amin’izay

Ref:
-mila milofo ianao,mila mikiry ianao…..
Ka dieny izao,aza varina sao (2)

Partager fiainan'ny gasy

Commenter fiainan'ny gasy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Resistance in 9