4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fifidianana - PETSAM-BAVA

Mampalahelo ny zava-misy

Mahonena nefa indrisy

Mampalahelo ny zava-misy

Mahonena nefa indrisy



Fa mizara vary, mizara laoka

Mizara bômbô, mizara voanjo amin-kapoaka

Ka mizara vary dia mizara laoka

Mizara bômbô, mizara voanjo amin-kapoaka



Tongava fidio

Ny lisitray lanio

Fa ny pôlitikanay dia pôlitika ankehitrio

Dia nifidy ny nandra

Izay mba niandrandra

Nefa avy eo nivandravandra

Fa vao mainka tsy nikandra

Fa nahery loatra ireo olona navandy

Tsy nikely soroka nanao prôpagandy

Ny kandidanay dia tena milay

Raha hametsifetsy izy dia tena mahay

Ny ratsy efa vita hodio tsy hita

Loza ho avy izao no hiaraha-mahita

Omeo toerana aho, dia ataovy depute

Fa ianao hihinam-pako, izaho hanan-karena be

Omeo toerana aho hanitsahako anao

Hoteteziko daholo hatramin’ny tampon-dohanao

Zaho raha hikarama dia amina million

Ianao lasa mpangalatra dia mihidy violon

Rehefa tonga ny ankadasitra izaho lasa minisitra

Haripako ianareo, ianao ao anaty lisitra

Tongava mifidy, manaova ianao adidy

Fa ny famonoana anao anie dia tena mora vidy



Efa oviana aman-tany aho namakafaka lalina

Fa mametsifetsy anie ny banky mondiala

Nefa ’reo mitondra toa tsy mba malimalina

Hatramin’i tantine, lasa mivoaka alina

Raha tsy mino ialahy na koa mihanahana

Dia mandehana harivariva eny Tsaralalana

Hahita baofy be efa lany daty

Nefa dia mivaro-tena manao varotra ambiaty

I Tonton indray moa rehefa soarasoara

Dia mandany lera any anaty bara

Mikaka avy any dia mamany am-pataloha

Avy eo dia mandry an-tatatra indimy no mandoa

Zany ve no vokatry ny fahaleovantena

Tena pôlitikan’omby mifanipaka eny an-tsena

Reo izay mitondra toa mangalatra avokoa

Tena mamba noana, manao fiainana zoulou

Tsy bolao intsony no atorany amintsika

Fa tena maritoa atoraka alika

Aiza ve leitsy isaky ny fifidianana

Dia misy kandida mody manamboatra lalana

Na mitana angady aza tsy hain’ialahy akory

Ka aza dia miseho milay fa manorisory

Partager fifidianana

Commenter fifidianana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PETSAM-BAVA