4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zoky - PETSAM-BAVA

O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany

O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany



Zavatra sarotra heverina leisy no niseho tany

Sinoa toa manao bodongerona leisy no hitako tany

Dia alain-dry zalahy ny tanàna vidiny amin’ny vidiny mora

Dia ompainy amin’ny tenin-drazany ialahy dia fafazany rora

Behoririka moa amin’izao dia efa lasa tanànan-tsinoa

Eny Ivato sy eny Antanikatsaka an-dry lerony avokoa

Raha dinihina ny zava-misy ankehitriny dia mampanjoretra

Fa ho lasan’ny kely maso daholo ny harena rehetra

Ny gasy amin’izany dia mjalijaly izay miasa ao aminy

Voahidy any an-davapiringa ny bandy, ny sipa ao aminy



O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany

O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany



Mody anokafany trano fandihizana sy filokana

Nefa dia fika anarontsaronana ny hadalana

Fanariana an’ireo fakofakon-tsinoa izao ny eto amin’ny tanàna

Mizaka ny zom-pirenena ireny ka tena igagàna

Ireo tsy mahay tenintsika na kely kanefa dia gasy

Mody soloina ny anaran-tsinoa dia ho atao hoe Ramasy

Fivarotan-tsinoa no mameno tanàna amin’ny entana fôsika

Hita fa tsy ara-dalàna kanefa dia tsy alain’ny ôsika

Amidiny mora ny azy satria tsy mandoa ladoany

Vidin’ilay "palais de sport" no anton’izany



O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany

O zoky e mba mitandrema ihany

Mitandritandrema fa tena mandady ny trambo eto izany



Fa malaza ankehitriny fa hoe miarin-doha hono ny firenena

Lohan’angidina anefa no hitako mivembena

Tsy afenina intsony fa aderadera ny fomba maloto

Ny afera maizina resak’alika sy jiolahim-boto

Izay fanampiana mba azo rehetra toa tsy hita trace

Atao toha-piakarana ny fahantran’ny gasy

Mizesta ery ny vaovaom-panjakana milaza aminao

An’ireo fanarahana vita sonia izay rehetra natao

Ilay ramatoa modamodaka izay raha milaza vaovao

Dia tsy menatra mihitsy midera mpitondra amin’izato bilao

Partager zoky

Commenter zoky

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PETSAM-BAVA