4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mdm - mitsikia de mahereza - Jeedai

Jeedai : HO an’i zoky, mino aho fa salama tsara ianao any, ary mandeha tsara ny ataonao

zandry : za aty tsy de mahavita manoratra fa tena sahirana ihany koa. Tena mafy leisy ny mahazo a a, mba hain’la moa fa nilaozan’ilay tsy mataho-tody iny a? Tsy inoany hono fa hoe sahirana amin’ny asako a ka zara raha misy fotoana hiarahanay, ka tsy hitany hono ny tokony mbola hiarahanay. Tena mafy leisy a, tsy tantiko. De io za manoratra am’la io. Inona no tokony hataoko fa tsy tantiko mihitsy ka. Tena marina e, mangidy loatra tena tsy tantiko. Zay fa mba valio, ny zandrinao



Jeedai



Voaraiko le tasitaranao feno tasin-dranomaso maina

De zao mamaly a, fa vita sary, misoratra ato an-tsaiko

ny fiainananao any, any an-tanin’olona, any an-tany lavitra any

taratro ato hoe tsy ravo ianao, kobo koa fa mafy ny adinao



aiza ka, misy hoe tsisy latsaka afatsy rano maso tsy lany

maraina bongo ny maso, hariva koa tomany, atoandro tsy mahakaly

fa satria ve nilaozany de tsy tantinao ny hanohy ny fiainanao,

tsy misy mamy ze atao fa hoe voa enao? aiza zany ra zandry a



tsy hainao nga fa vo izy, tsy kopy hoe very vô nanary anao?

tsy tadidinao koa anga fa raha eto tsy mbola misy soa noho ianao?

k’aleo leiry handeha e, aza iny no atao haharava anao

matokia, minoa a f’efa any zay le tena tia sy tinao, mba kozy e





Fa zao an, tandremo sao hoe, hanao ny tsy fanao

ka hoe, leo ka handao anay, ka hoe, hanampy isa ny razam-be

sa misy koa sa milaza hoe : aleo kokoa Ambondrombe?

Diso be, aloha raha mihevitra fa ny fialana eto dia iny fa hoe



Hahita le tena fahasambarana e. Ekeko ny fiainana eto ady be

korotan-dava, sanatria raha ho raozy lalan-dava ka hamerovero

k’anefa hevero fa na atao aza hoe, raozy sy revy

tsarovy fa na ny raozy aza anie mbola handrangotra sy handratra e sa ahaona ozy enao



fa io ho a de ny fahaizanao mijery ihany hoe aiza ny lafy tsara

no aha-mpandresy anao am’le toa faharesenao,

Mpandresy tsika raza, kozy e, mandresy enao hoy za

satria ts’isy natao ho lavo lava zany, ary ze olana, ssh, izy rehetra tsy maintsy mivaha.



Hary G.

Raha tsy misy hasambarana raza

(hasambarana raza)

Tsy misy fahoriana

(fahoriana)



Raha tsy misy fahasitranana

(fahasitranana)

Tsy misy faharatrana

(faharatrana)



Raha tsy misy fahoriana

(fahoriana raza)

Tsy misy hasambarana

(fahasambarana)



Jeedai :



Am’zao aloha, somary omeo fotoana ny alahalonao hiaina,

aleo izy, hisento ahatsapa, ny nitranga taminy rehetra hiala

tsy maintsy hikatona ho olatra ny ratra ka na nivava aza

hikainkona hanoritra ny faharesen’le tontolo retraretra saiky tsy zaka



nefa zaka ka na miseo azy ho enjana aza niapa rapa

ka niraparapa tsy nahalala fa lavo, farano anatin’le rano

lalin’ny faharetanao sy ny fanentan’ny fonao tam’zany

efa vita, fa am’zao soloy tsikitsiky asoritra hanaingo ny tavanao



de aoko zay ny rano, atodio ny masonao ho any am’zavatra hafa

didiho ny tontolo manodidina de aleo handalo daholo ny lasa

mandalo ihany reny ohatran’ny rahona aran’dranonorana

kanefa avy eo misava, de soloin’ny fibalikan’ny tsikitsiky tsikin’ lalana



mitsiky ny masoandro, de maina ny tontolo, nadio ny naloto

niova ny rehetra ny ahitra nitsiry ny tonta rehetra nevao

ohatr’zany koa ny tontolonao, saingy ny anao ny voniny ndray no nivelatra

ze tsy ilaina voafafa ka iny ianao fa nivoaka manjelatra



asehoy fa afaka ny hitsangana ianao na dia toa lavo aza

ary asehoy fa afaka ny anenjika raha toa ka fanahiniana hilaozana

ary enjehina raha mandao satria kanto loatra ary averiko fa

hafa ianao, ka fahavoazanay hatrany ho an’zay minia, minia mandao anao



ka tazony, tehirizo ny ranomasonao angony aza ariana

aza araraka raha tsy efa tonga le andro natao hifaliana

andro milaza fa mandresy ianao, am’zao hifalio fotsiny

ze mitranga na mafy aza, hijoroy fa tsy maintsy ho fotsy hatramin’ny fotony



Hary G.



Fa ny hafatro ho anao

(hafatro ho anao)

Ekeko hoe mafy zao fiainana izao

(fiainana izao) raza



N’inoninona atao

(ninoninona)

Ny lohanao hatrakao

(hatrakao) raza



Mitsikia de mahereza raza

(Mitsikia de mahereza)

Raha tsy misy

Partager mdm - mitsikia de mahereza

Commenter mdm - mitsikia de mahereza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeedai