4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Henamaso ho an'tenako - Jeedai

ya, Ela leisy zay, ela zay tsy nisy kozy

voakozy ny kofa fa voatapimbava hono tsy hikozy

raha kozy tsy reven’ny akama, tsy po, de tsy azo kozina

aiza izany, malalalaka a sa fehezin’la am’ kizon’teny?

ny haitso haitso no fahalalahako, leisy ry zaza a

ny tontoloko tsy fehezin’la am’fahajamban la leisy zaza a

ny fiainako tsy elingelenin’la amin’ny fahateren’la zaza a

raha tsy faly ela tsy koa, de refeso a ra takatr’ela

raha adalana ny fahendreko am’la leisy, tsy koa zany

raha tsy reven’la ny lalana noraisiko, tsy koa ihany zany

ny an’la atao ze anokafana azy f’aza manaloka anaty fahazavana

satria raha tsy kobon’la fisainako, tsy kobon’la ny fiainako

ny fiainako lesy anaty tontolo tsy mitanila, mahitsy

ka raha hitako ny tsy mety, tsy za mihitsy no halemy

k’hitsitsy ny tsy rariny, ny tsy tokony ho izy.

na kely a, na glady, na maro a, na be noho ny vitsy,

* ka raha adalana ny fahendreko am’la tsy koa zany

raha tsy reve’la ny lalana noraisiko tsy koa ihany zany

fa ny diapeniko handrefesana a, ataovy ze ahakobon’la a

satria raha tsy kobon’la ny fiainako, tsy kobon’la fisainako.

* Henamaso, zay ny kozy bobaka mandeha eny

amin’tontolon’ jeedai / Henamaso ho an’ny tenako, tsy

hivadika a hamitaka an’i Jeedai, / ka tsy avelako raha tsy ny

milay ihany no hanodidina ny fiainako. / Tsy teren’la a

amin’ny zavatra ataoko, tsy didin’la a am’zavatra tiako...

hivadika a hamitaka an’i Tenako, / ka tsy avelako raha tsy ny

za jeedai, nateraka a hanafaka an’la tsy hiiba

hampiakatra an’la amin’ny tontolon’ny avo hiala @ iva

tsy sanatria hamono anefa ty fa hanova ny fikatsain’la

mitora-jovo toy ny vovoka, manditsoka mahatofoka

ary ela aza mora sosotra satria raha mikozy a de mizozy

hanao aody ao ambaravaran’ny sain’la no ametrahako kozy

tsy natao handavoana nefa mahalavo ny tery lalan’tsaina

ka tsy manaiky ny tokony ho izy, fa teren’ny fitiavan’tena

Ela no tsy te ahalala ankoatran’ny dozin’la any

ny kofa no misacr ela no mitantatra, de ny kofa no pozin’la

tsy ahakopy ny kozy retraretra tokony ho fantany

fa teren’la hiala hanampahavalo, hiala amin’ny akamany

de ela no misatill mitsiky fa,... toa tafa,

miodina impito anaty tontolo voaloto, tsy kopy fa jamba

voageja ela, voagejan’ny tontolo hotohoto,

lavo ela lavon’ny tontolo voatapimaso nofinofy

* ka raha adalana ny fahendreko am’la tsy koa zany

raha tsy reve’la ny lalana noraisiko tsy koa ihany zany

fa ny diapeniko handrefesana a, ataovy ze ahakobon’la a

satria raha tsy kobon’la ny fiainako, tsy kobon’la fisainako.

* Henamaso, zay ny kozy bobaka mandeha eny

amin’tontolon’ jeedai / Henamaso ho an’ny tenako, tsy

hivadika a hamitaka an’i Jeedai, / ka tsy avelako raha tsy ny

milay ihany no hanodidina ny fiainako. / Tsy teren’la a

amin’ny zavatra ataoko, tsy didin’la a am’zavatra tiako...

* Henamaso, zay ny kozy bobaka mandeha eny

amin’tontolon’ jeedai / Henamaso ho an’ny tenako, tsy

hivadika a hamitaka an’i Tenako, / ka tsy avelako raha tsy ny

milay ihany no hanodidina ny fiainako. / Tsy teren’la a

amin’ny zavatra ataoko, tsy didin’la a am’zavatra tiako...

six ozy, ze manantona azy am’zao miozona

fa za matombona ny traikefa misy mijoro, za vonona

Ary ny hoditr zay voan’ny dakan-ndrimako eto aloha hiorona,

satria ny ’aiko tsy misorona, mirarakopana ty toa orana

ny rimako misoso misavika manempotra ampoton’orona

tsy mila kofohana tsy mila kafooom, satria kozy mitombona

rima mivelatra- mandrobona ka mandrimbona ny makafoka

tsy mety manjelatra/ ny teniko kosa ametraka ny fotony mavesatra

mavesatra tsy ahitana mangirana tsy rakatra, ny tselany

fa misafoto anatin’ lamina tsy taratra, ny tenany

tsy mety mipetraka, am’le taktika tsy tretraka, ny heriny

fa katraka ary tsy very stra am’ peniny

Satria Ny fo tsy azo gejain’ny saina, raha te hiaina

ary ny saina tsy azo tarihin’ny fo, raha tsy te hitaraina

fo tony no antoky ny fandresena, eto am’tontoloko

ary fo tsy tony no mariky ny fahalemena... ka tsy hazoniko

* ka raha adalana ny fahendreko am’la tsy koa zany

raha tsy reve’la ny lalana noraisiko tsy koa ihany zany

fa ny diapeniko handrefesana a, ataovy ze ahakobon’la a

satria raha tsy kobon’la ny fiainako, tsy kobon’la fisainako.

* Henamaso, zay ny kozy bobaka mandeha eny

amin’tontolon’ jeedai / Henamaso ho an’ny tenako, tsy

hivadika a hamitaka an’i Jeedai, / ka tsy avelako raha tsy ny

milay ihany no hanodidina ny fiainako. / Tsy teren’la a

amin’ny zavatra ataoko, tsy didin’la a am’zavatra tiako...

* Henamaso, zay ny kozy bobaka mandeha eny

amin’tontolon’ jeedai / Henamaso ho an’ny tenako, tsy

hivadika a hamitaka an’i Tenako, / ka tsy avelako raha tsy ny

milay ihany no hanodidina ny fiainako. / Tsy teren’la a

amin’ny zavatra ataoko, tsy didin’la a am’zavatra tiako...

8 a valo menamaso,

ary ny zavatra ataoko rehetra dia noho ny henamaso ho an’ny

tenako. / Fanajana zay ataon’la no sahaza an’la, fa ny a

Henamaso. / 8 a, valo menamaso, valo manamaso.

(2002)

Partager henamaso ho an'tenako

Commenter henamaso ho an'tenako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeedai